Antoko Humaniste et écologiste:”Mila havoaka ny anto-bola amin’ny kaominaly”

“Hatramin’izao, tsy mbola namoaka ny saram-pirotsahan-kofidina amin’izay maniry ho ben’ny Tanàna na mpanolotsain’ny Tanàna amin’ny fifidianana amin’ny volana novambra ny Ceni”, hoy ny mpikamban’ny antoko Huma­niste et écologiste, Rakoto­arisoa Dimbiniaina, ny amin’ny fifidianana kaominaly. Andrasana koa ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny amin’ny tetiandro amin’izany. Mba tsy ho andro vitsivitsy mialoha ny fifidianana vao havoaka izay saram-pirotsahan-kofidina izay, ka hanano sarotra an’ireo antoko. Mi­dangana hatrany anto-bola avoakan’ny governemanta, ary tsy manaraka ny volavolan-kevitry ny Ceni. To­kony horaisin’ny governemanta an-tanana izany ny fikarakarana fifidianana: izay tiany ihany no ataony, fa tsy raisiny ny tolo-kevitry ny Ceni. Tsy misy antony tsy tokony handraisany ny fikarakarana fifidianana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Atitany. Satria, miainga eo anivon’ny governemanta ny fanapahan-kevitra rehetra. “Tsy fantatra intsony amin’izao izay ilana ny rafitra manokana ho mahaleo tena hikarakara fifidianana”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: