Nahazo fankatoavana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny nahavoafidy indray ny filoha Rajoelina amin’izao fe-potoam-piasana vaovao izao. Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena…
Nanolotra ny taratasy fanendrena azy hiasa sy honina eto Madagasikara tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny ambasadaoro vaovaon’ny Repoblika alzerianina demokratika entim-bahoaka, Filali Ghouini, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Voatsiahy tamin’izany ny fifamatorana ara-tantara eo amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta, izay efa ampolo taona maro. Anisan’ny firenena nanana masoivoho voalohany teto Madagasikara i Alzeria. Matotra ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, ary nohamafisina indray izany amin’ny fanendrena ambasaodaro vaovao. Nampita ny hafatra manokana avy amin’ny filohan’ny Repoblika alzerianina, Abdelmadjid Tebboune, izy. Voaresaka ny iaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny toekarena, fifandraisana amin’ny varotra, kolontsaina. Eo koa ny lafiny fampianarana ambony sy ny fanofanana amin’ny asa.
Nanolotra ny taratasy fanendrena azy ho ambasadaoro vaovaon’ny Repoblikan’i Korea tamin’ny filoha Rajoelina ihany koa, i Park Ji-hyun, omaly. Efa nandray azy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, afakomaly. Manohana ny tetikasam-pampandrosoana an’i Madagasikara i Korea, ary vonona amin’ny fanohizana izany. Ainga vaovao fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izao fanendrena ambasadaoro vaovao izao. Nambaran’ny ambasaodaoro fa manana tombondahiny manokana eo amin’ny samy firenena i Madagasikara noho ny fananany harena voajanahary sy olona. Sehatra tena iarahan’i Korea amin’i Madagasikara ny fambolena, ny fanabeazana, ny fanofanana amin’ny asa.
R. Nd.




