Diplaomasia ara-toekarena : Manan-danja ny fifampitokisana

Hifarana anio, any Doha, Qatar, ny Fihaonambe iraisam-pirenena faha-9 momba ny fampiasam-bola ho antoky ny fahavitan-tena ara-angovo sy ny fampandrosoana maharitra. Mandray anjara amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ny Praiminisitra Rajao­narison Mamitiana, miaraka amin’ny minisitra voakasika. Mikarakara ny hetsika ny Fihaonamben’ny Firenena mikambana momba ny varotra sy ny fampandrosoana (Cnu­ced), miaraka amin’ny fanjakan’i Qatar. Ho an’i Madaga­sikara, tombontsoa stratejika lehibe ny fandraisana anjara. Ahazoana mampahafantatra sy mampiroborobo ny harena sy ny fahafahana ara-toeka­rena ananana, manamafy ny fahatokisan’ireo mpampiasa vola iraisam-pirenena ary mikaroka fiaraha-miasa vaovao. Laharam-pahamehana ny fisarihana famatsiam-bola ho an’ny fotodrafitrasa sy ny angovo, ny fampiroboroboana ny harena an-kibon’ny tany amin’ny fomba tomponandraikitra, ny fampandrosoana ny indostria, ny fanodinana eto an-toerana ireo akora fototra ary ny famoronana asa maharitra.
Manan-danja ho an’i Ma­dagasikara ny fanamafisana ny fifampitokisana amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, indrindra amin’ ny fisarihana fampiasam-bola. “Andao isika hifampatoky. Safidio i Madaga­sikara”, hoy ny Praiminisitra malagasy tamin’ny anjara fitenenany. Eo koa ny fanohanana ny sehatra tsy miankina sy ny fampiroboroboana ny fitomboana ara-toekarena miteraka tombon­tsoa sy sanda fanampiny ho an’ny firenena. Mana­mafy ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa ara-toekarena iraisam-pirenena i Mada­ga­sikara. Eo koa ny fampivelarana ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny fifampitokisana sy ny hampiroboroboana ny fampiasam-bola maharitra. Ho amin’ ny fanohanana ny fanavao­zana sy ny fampandrosoana ara-toekarena izany.

R. Nd.

Partager sur: