FANTINA sy FINTINA

Hiakatra etsy amin’ny Pac 67 Ha ny « Raha­raha Boeing 777” tany Iran, araka ny fampitam-bao­vaon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Efa tokony ho notanterahina ny 22 oktobra teo izany. Tsiahivina fa azon’ny rehetra atrehina izany eny amin’ny Pac 67 Ha, araka ny fampitam-baovao hatrany.
Natolotra ny filoham-panjakana, ny Kly Ran­drianirina Michaël ny tondrozotra mirakitra ny fikaonandohan’ny polisy, teny Ivato, omaly. Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fitaovana hanamafisana ny fandriampahalemana, ny fahasamihafan’ny andraikitra sy ny olan’ ny sehatra tsirairay ary ny fitohizan’ny ezaka ho fana­tsarana ny asa.
Efa natomboka ny fampianarana teny rosia­nina ho an’ireo depiote sy ny mpiasan’ny Antenimiera­mpirenena. Tafiditra ao anatin’ny drafitry ny firenena roa tonta koa ny famolavolana tetikasa vaovao sy ny fanitarana ny fampiroboroboana ny teny sy ny kolon­tsaina rosiana, hatrany amin’ny faritra, amin’ny alalan’ ny Maison russe.
Napetraka amin’ny toerany, omaly, ny arse­veka « Coadjuteur » ho an’ny diosezin’i Fianarantsoa, ny Mgr Rakotojaona Jean Nicolas. Nitarika ny sorona Masina tao Ambozontany ny Mgr Rabemahafaly Ful­gence ary nanotrona izany ireo eveka manerana ny Nosy, niaraka amin’ny solontenan’i Vatikana, ny Nonce apostolique Thomas Grysa.

Partager sur: