Naneho hevitra fohy manoloana ny raharaham-pirenena ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly, teny Ivato. Anisan’ny noresahiny ny momba ny tambajotran-tserasera.
Nambarany fa tsy ny tsindry etsy sy eroa amin’ ny facebook no handraisana fanapahan-kevitra eto amin’ity firenena ity, manoloana ny toe-draharaha politika tato ho ato sy ireo tranga nahabe resaka. « Tsy izany no handravana ny goveremanta sy anoloana olona… Ilaina ny miandry ny vokatry ny fanadihadiana mba hahafantarana mazava ireo tena tomponandraikitra momba ny « Raharaha sinoa », miisa 11», hoy izy, nanoloana ny mpanao gazety.
Etsy andaniny, nohamafisiny fa tsy handefitra amin’ny mpanao kolikoly ny fanjakana. Ilaina hatrany koa ny fifampiresahana ary tsy ny olom-bitsy no hanapaka ny hoavin’ ny firenena, araka ny nambarany tamin’ny famaranana ny fihaonamben’ny ray aman-dreny ara-drazana ho an’ny vondrom-paritra atsimon’ny Nosy, natao tany Ihosy, ny faran’ny herinandro teo.
Ankoatra izany, nambarany tamin’ny famaranana ny fikaonandohan’ny polisim-pirenena teny Ivato fa ilaina ny manaporofo miaraka ny hanatanterahana am-pahamarinana sy am-pahitsiana ny andraikitra sahanin’ny mpitandro filaminana, mba hamerenana sy hanamafisana ny fahatokisan’ny vahoaka. « Tsy hisy ny fandriampahalemana raha mbola misy ny tsimatimanota ary tsy hisy ny fahatokisan’ny vahoaka ny mpitandro filaminana raha mbola mihevitra ny olom-pirenena fa azo vidiana ny rariny », hoy izy.
Fifidianana anaty fitoniana
Nanteriny koa fa tsy hisy fampandrosoana raha mbola misy mihevitra fa azo ifampiraharahana ny lalàna.
Notsindriny fa hiditra tsy ho ela amin’ny fanomanana fifidianana i Madagasikara ka antoka hampizotra izany ny fitoniana. Nanao antso avo amin’ny polisim-pirenena ny Filoham-panjakana ny amin’ ny fiantohana ny filaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana.
Synèse R.





