Tsy afa-miandry ny fandefasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sorabola hikarakarana fanadinana ny tomponandraikitra fa mijery vahaolana miaraka amin’ny ray aman-dreny hampihodinana ny fanomanana.
Mbola nanamafy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena araka ny note de service 2024/035/MEN fa tsy andoavam-bola ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC amin’ity taona ity. Tsy izany anefa ny zava-misy eny ifotony. Mangataka tolo-tanana (vola) amin’ny ray aman-dreny manan-janaka hanala fanadinana ny lehiben’ny foibem-panadinana manerana ny Nosy. Ho an’ny Zone d’administration pédagogique (Zap) eny Antehiroka, Cisco Ambohidratrimo, entanina ny ray aman-dreny hanefa 2 000 Ar ho an’ny mpiadina iray hanala CEPE ary 3 000 Ar ho an’ny BEPC. Efa nifampierana tamin’ny ray aman-dreny ny sorabola ka nanaiky avokoa izy ireo ho fampandehanana ny fanadinam-panjakana. Antony hampiasana ny tolo-tanana ny fividianana taratasy sy ranomainty hanontany ny taratasy fiantsoana, ny karaman’ny mpanara-maso ny fanadinana sy ny mpitandro filaminana samihafa. Andraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny manome ny vola hampihodinana ny fanadinam-panjakana nefa tsy afaka hiandry ny dingana rehetra. Efa nanomboka ny volana janoary lasa teo ny fisoratana anarana ho an’ny CEPE ary ny fiandohan’ny volana febroary ho an’ny BEPC.
Iraisan’ny foibem-panadinana rehetra
Iraisan’ny foibem-panadinana manerana ny Nosy ny fangatahana tolo-tanana avy amin’ny ray aman-dreny ho fanomanana ny fanadinam-panjakana fa ny sorabola no tsy mitovy. Arakaraka ny filàna sy ny isan’ny mpiadina raisina, hoy ny fanazavana. Ho an’ny ray aman-dreny manana fidiram-bola isam-bolana azo antoka, tsy manahirana ny fanefana ny tolo-tanana fa ho an’ireo mitady ny harapaka isan’andro, mety ho sarotra ihany.
Misedra olana ny fanabeazana ka mandray ny fepetra tandrify azy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Ankoatra ny olana amin’ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa sy ny mpanabe, maro koa ny efitranon-tsekoly ravan’ny rotsakorana rehefa fahavaratra fa voatery mitady toerana hanohizana vonjimaika ny fampianarana ny mpanabe. Nambaran’ny BNGRC fa faritra fito izao no manana olana satria lasan’ny rivotra ny tafo na simba ny efitrano fianarana vokatry ny rotsakorana izay mbola mitohy hatramin’izao.
Vonjy




