Anisan’ny miatrika ny “Antalya Diplomacy forum 2024”, any Torkia, ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Omaly no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’ny Nest Convention Center izay fihaonana izay. Filoham-pirenena sy filoham-panjakana miisa 19 no mandray anjara amin’izany ary manodidina ny 73 ny minisitry ny Raharaham-bahiny. Fampiroboroboana ny diplomasia mandritra ny vanim-potoana misavorovoro no lohahevitr’ity “ADF 2024” ity. Tanjona ny hampivoarana ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ireo rafitra iraisam-pirenena tsy misy anavahana mba hahafahana mametraka ny filaminana sy ny fitoniana maneran-tany.
Ny filohan’i Torkia, Recep Taiiyp Erdogan, no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny “ADF 2024”. Mandritra ny telo andro no hiresahana sy hanolorana vahaolana mahakasika ny ady mandripaka aina maro, ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny ady amin’ny fampihorohoroana, ny fiarovana ny zon’
olombelona, ny fampihenana ny elanelana ara-tsosialy sy ara-toekarena, ny fifindra-monina an-tery, ireo endrika fanjanahantany vaovao, ny fanavakavahana ara-pirazanana sy ara-piaviana ary ara-pinoana. Fanamby ho an’ny firenena rehetra ny fikarohana vahaolana sy paikady matipaika iombonana sy iraisana manoloana ireo ambana efa misy sy vao mipoitra ireo.
Lin




