Fisitrahana rano : nanolotra tobin-drano iray ho an’ny Epp Ambatobe ny Fondation HV

Olana matetika eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra Ambatobe ny fahatapahan-drano. Anisan’ny nanampy betsaka azy ireo ny tolotra tobin-drano avy amin’ny fondation HV.

Nanolotra tobin-drano iray ho an’ny Epp Amba­tobe sy ny mpianatra ao aminy ny Fondation HV. Notokanana omaly, teny an-toerana, natrehin’ny tomponandraikitry ny fikambanana sy ny mpianatra ary ny teo anivon’ny sekoly izany. “Tanjona ny hanampiana ny mpianatra hisitraka rano amin’ny fotoana rehetra sy tsy tapatapaka satria aina ny rano”, hoy ny tomponandraikitry ny fondation HV, nandritra ny fandraisam-pitenenany. “Hamaha ny olan’ny fahatapahan-drano miseho indraindray eo anivon’ny se­koly ny fanomezana tahaka izao”, hoy kosa ny talen-tsekoly, Vololosaonina Idda Gladis. Maharitra eo amin’ny adiny roa eo ny fahatapahan’ny rano eny an-toerana ka miteraka olana samihafa, raha ny fanazavana. Nambarany fa tsy hanana ahiahy mahakasika ny fahatapahan-drano eny an-tsekoly intsony izy ireo.

Fondation HV

Miasa eo anivon’ny sehatry ny fanabeazana fototra, ny fananganana sy fanatsarana sekoly, ambaratonga fototra, eto amin’ny Nosy ny fikambanana mba hahafahan’ny ankizy malagasy misitraka fiainana tsaratsara kokoa hatrany. Ankoatra izay, manampy ireo fikambanana manao asa sosialy sy ireo vehivavy sahirana ara-pivelomana eto Madagasikara sy any amin’ny Nosy Maurice ihany koa izy ireo. Mahatratra hatramin’ny 3 500 ny mpiara-miasa eo anivon’ity fondation ity. Niorina tamin’ny 2001 ny fondation ary vina ny hanitatra ny sehatrasa manerana ny Nosy. Nofaranana tamin’ny fizarana tohanaina ho an’ireo ankizy 370 eo anivon’ny sekoly ny hetsika. Hetahetan’ny teo anivon’ny sekoly ny hamefena ny toeram-pianarana.

Mino

Partager sur: