Sehatry ny fizahantany :maimaimpoana ny fianarana teny anglisy

Ny 11 marsa hatramin’ny 28 mey ny fisoratana anarana amin’ny fampianarana teny anglisy maimaimpoana, ho an’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany, karakarain’ny masoivoho amerikanina. Fomba firesaka amin’ny teny anglisy fampiasa amin’ny sehatry ny fizahantany no hatao amin’izany.
Anisan’ny lesona hianarana amin’izany ny fomba fama­ri­tana tanàna hotsidihina na ny kolontsaina ao aminy. Ireo fomba fanazavana ny karazana tolotra aroson’ny mpitaridia sy ny torolalana momba ny fandraisana ary ny fikarakarana ny mpanjifa ihany koa.
Ankoatra ireo, ny fomba famarotana tolotra ara-pizahan­tany sy ireo teknika fampiasa amin’ny tambajotran-tserasera ham­pahafantarana ny tolotra omena ny mpanjifa.
Amin’ny alalan’ny ampitain-davitra no hahafahana misitraka ny fampianarana an’ity teny anglisy ho an’ny fizahantany ity.
“Tsara kokoa raha ireo efa mahay kely ny teny anglisy no misoratra anarana satria amin’ny teny anglisy ranoray ny fampianarana”, hoy ny fanazavana nomen’ny avy ao amin’ny masoivoho amerikanina.

Tatiana A

Partager sur: