FBI National Academy Associates: mendrika tamin’ny fiofanana ny inspecteur Sophie

Nisongadina tamin’ny ta­ran­ja hazakazaka, nitana ny laharana voalohany tamin’ireo vahiny mpianatra ny inspektera Ranjaharimalala Rahari­noe­ly Sophie. Tafita soa tamin’ny fiofanana natao tao amin’ny FBI National Academy Associates, Inc tao Quantico izy.

Toeram-piofanana mpi­tandro filaminana anisan’ny manan-danja indrindra any Etazonia no nanaovana izany fiofanana izany.
Nitana ny laharana faharoa kosa ny tenany, tamin’ny vehivavy mpiofana rehetra, nandritra ny taranja hazakazaka ary nahazoany ny solon’ anarana “the machine” mihitsy izany.
Miisa 260 ireo mpitandro filaminana avy any Etazonia sy manerana izao tontolo izao no niara-niofana tamin’ny inspektera Sophie. Fiofanana ara-tsaina sy ara-batana, toy ny fiofanana amin’ny fahaiza-mitarika, ny siansan’ny fitondrantena, fampianarana mo­mba ny fitaovam-piadiana sy fanazaran-tena ara-batana.

Avo lenta ny fiofanana ary entina hanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fitandroana ny filaminana. Nampiakatra ny lentan’ny fahaiza-mitarika in­drindra koa izany. Tsy nitsanga-menatra i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny inspektera Sophie. Naneho ny fahavononany sy nanome ny tsara indrindra izy, nandritra ny fiofanana niarahana tamin’ireo te­ratany vahiny maro avy amin’ ny firenen-tsamihafa.

Tatiana A

Partager sur: