Fandriampahalemana: mpiara-miasa akaiky i Madagasikara sy i Etazonia

Nandray ny fankalazana ny nahaterahan’ny fanjakan’i Texas ny masoivoho amerikanina miasa sy monina eto amintsika, Pierangelo Claire, ny alakamisy teo. Nanotrona izany ireo mpitandro filaminana amerikana sy Malagasy ary mpiara-miasa. Nahafahana nifanakalo hevitra momba ny fanamby iombonana amin’ny asa fiarovana an-tanety sy an-dranomasina eto Madagasi­kara ny fihaonana.
Zava-dehibe ny fiaraha-mi­a­sa toy izao ary ity hetsika ity dia manamafy orina hatrany ny fifandraisana eo amin’ireo mpiara-miasa sy nanasongadina ny fahavononan’izy ireo ha­namafy ny fiaraha-miasa amin’ny fiantohana ny fandri­ampahalemana eto Mada­ga­sikara sy ny Nosy manodidina.
Maro ny karazana fiofanana sy fifampizarana traikefa eo amin’ny fitandroana filaminana eo amin’i Madagasikara sy i Etazonia.
“Miovaova ny tontolo iainantsika, indrindra manoloana ireo karazana ambana izay mety hatrehina, ka izao fahasamihafan’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpiara-miasa, indrindra ny fifandraisantsika izao no hahatonga ny rehetra ho matanjaka sy ho afaka hiatrika ireo fanamby iombonana”, hoy ny masoivoho amerikanina Pierangelo.

Fotoana nihaonana tamin’ ireo solontenan’ny mpianatra Malagasy nahavita fiofanana teny anglisy tany amin’ny Defense Language Institute (DLI) Texas ihany koa io alakamisy io.

Tatiana A

Partager sur: