rivodoza gamane : nampitondra faisana faritra maro

Nitondra ora-nikija ho an’ny tapany avaratra ilay rivodoza Gamane izay niditra an-tanety tao amin’ny kaominina Ampisikinana, distrikan’i Vohemar, faritra Sava, omaly maraina. “Tsy nihetsika firy izy, omaly tontolo andro, fa nianatsimo tsikelikely ny fizotrany hatramin’ny anio maraina. Tombanana hivoaka an-dranomasina any amin’ny ditrikan’i Maroantsetra, faritra Analanjirofo izy rahampitso sy anio », araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Andriakaja Elack Olivier. Mandeha miadana i Gamane ary manimba zavatra betsaka amin’ny toerana lalovany ny rotsakorana entiny. Efa mihena ny heriny fa namela takaitra mavesatra izy ho an’ny faritra Diana sy Sava ary Analanjirofo. Dibo-drano ny voly lavanila sy jirofo ary ny tanimbary vokatry ny rotsakorana betsaka. Maro ihany koa ny lalam-pirenena tapaka ho an’ny faritra telo. Ohatra ny lalana mampitohy an’i Sam­bava amin’Antalaha sy Sam­bava amin’i Vohémar. Ao koa ny tetezana difotry ny rano amin’ireo faritra. Nanamafy ny tale jeneralin’ny BNGRC fa nahitana fahasimbana avokoa ny distrika rehetra ao amin’ny faritra telo.
Hatramin’ny omaly, tsy mbola nahazoana tatitra ny fahavoazana momba ny olona. Satria tsy afa-miasa ireo tomponandraikitra any an-toerana raha tsy lasa ilay rivodoza ho fiarovana ny aina. 72 ora mialoha ny fahatongavan’i Gamane no efa nampiomana ny vahoaka ary nivory ny CRG sy ny CRIC handaminana ny toe-javatra rehetra.

Vonjy

Partager sur: