« Safidiko ny momba ny vatako » : nampitombo ny vehivavy sembana nanatona hopitaly

Nifarana ny tetikasa “Safidiko ny momba ny vatako” ho fampivoarana ny fananahana ara-pahasalaman’ny vehivavy manana fahasembanana. Nisahana izany ny fikambanana Afham tao anatin’ny 17 volana.

Faritra roa, Alaotra Man­goro sy Amoron’i Mania, no nanaovana ny tetikasa. “Tsy mbola nanana sampan’ny fikambanan’ny vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara (Afham) ireo faritra ireo. Sady nanatanteraka ny tetikasa no nanentanana ny vehivavy manana fahasembanana any an-toerana hiditra ho mpikambana izahay”, hoy ny filohan’ny Afham, Razafinjato Fela, omaly, teny Analakely. Nisy vokany ny tetikasa satria taorian’ny fampiofanana ny mpiasan’ny fahasalamana momba ny teny tanana, nitombo ny isan’ny vehivavy manana fahasembanana, indrindra ireo manana olana amin’ny fahitana sy ny fahenoana, nanatonan ny tobim-pahasalamana nisitraka tolotra momba ny fananahana ara-pahasalamana, hoy ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka any Alaotra Mangoro, ny dokotera Rajaobary Herizo. Tsy manana ahiahy intsony izy ireo satria afaka miserasera tsara amin’ny rasazy sy ny dokotera voaofana momba ny teny tanana. Nitombo 40 ny vehivavy vaovao manana fahasembanana nanatona ny tobim-pahasalamana ho an’ny tao Alaotra Mangoro, ary 30 ho an’ny faritra Amoron’i Mania vokatry ny tetikasa nataon’ny fikambanana tany an-toerana. 30 ireo mpiasan’ny fahasalamana voaofana momba ny teny tanana nandritra ny tetikasa.

Miantso ny fanjakana
Manao antso amin’ny fanjakana sy ny mpisehatra amin’ny fiahiana ny fahasembanana ny filohan’ny fikambanana hanohana azy ireo ahazoan’ny vehivavy tolotra ara-pananahana sahaza azy. Matetika ny fianakaviana no manapa-kevitra ho an’ireo vehivavy ireo manala ny zaza raha mitondra vohoka na koa mamatotra ny fantsona mitondra ny atody mankany amin’ny tranon-jaza (ligature), izay tsy nahazo ny fankatoavan’ilay vehivavy sembana.
Nanohana ity tetikasa ity ny CARE International izay tafiditra amin’ny fandaharanasa “Féminsite en action”.

Vonjy

Partager sur: