Tobin-jandary: nitsidika ireo traboina ny minisitra Fomendraza

Nitsidika ireo traboina vokatry ny haintrano tetsy amin’ny Caserne an’ny zandarimaria Mahazoarivo ny minisitry ny Mponina, Fomendraza Haingo Elisette, ny alarobia teo. Na­no­lotra ireo fitaovana ilaina amin’ny fiainana andavanandro izy. Nahita kidoro sy lamba firakotra ary kojakojan-dakozia miaraka amin’ny fitaovam-pianarana izany.
Naneho firaisankina tamin’ireo tokantrano 19 niaram-boina ny minisitra. “Vary sy rano ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka ka fitia mifamaly mahatsara fihavanana ary iombonana ny fahavoazana”, hoy izy.
Tamin’ity herinandro ity ihany koa, nanolotra lelavola, vary 10 lasaka, kojakojan-dakozia maro samihafa, lamba fitafy sy firakotra ho an’ireo traboina ny avy ao amin’ny
Antenimierandoholona izay notarihin’ny jeneraly Rava­lomanana Richard mivady.
Tsiahivina fa may ny tokantrano 19 tao amin’ny Caserne an’ny zandarimaria Mahazoarivo, ny 22 marsa teo. Mitotaly 70 ireo traboina ka mpianatra ny 43.
Tokantrano telo no tena may tanteraka ny tao anatiny ary vao manomboka miarina mihitsy ireo fianakaviana niharan’izany, ankehitriny.

Tatiana A

Partager sur: