Trafika hazo « pachypodium » : teratany malagasy 3 sy sinoa 1 tratra

Sarona ny tambajotra mpanondrana antsokosoko ny zavamaniry jabihy (pachypodium). Any Azia, indrindra any Japana sy Thailandy ny firenena tena mpandray azy.

Tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Iva­to, ny karazan-kazo jabihy (pachypodium) miisa 891, ny 5 marsa teo. Teratany malagasy telo sy sinoa no voasambotra tamin’izany, ary notazonina vonjimaika any amin’ny fonjan’i Tsifahy. Ni­laza ny talen’ny ady amin’ny kolikoly (Dulc) ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andrianirina Fa­nomezantsoa, omaly, fa nirongatra ity tambajotra fitrandrahana sy fanondranana antsokosoko any ivelany ity tato ho ato. Satria efa niisa 6 izao ny tranga fakana jabihy tamin’ity taona 2024 ity. Antony, mitombo ny filana any ivelany, indrindra any Azia, toa an’i Japana sy Thailandy. Karazana zavamaniry toy ny baobab madinika ny jabihy.
Nanazava ny tale jeneraly (DG) ny Haitondra ao amin’ny Medd, Razafindrabe Rinah, fa tena fakan’ireo mpanondrana ny jabihy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Tamin’ireo tranga 6 tratra, anisan’ny nahatrarana ireo mpanao trafika tany Atsimo Andrefana, Ihosy Ihorombe, Anosy, An­droy ary teto Antananarivo.

Migadra 10 taona
Araka ny lalàna iraisam-pirenena Cites sy ny sata mifehy ny faritra arovana (Coap), voasokajy zavamaniry arovana ny jabihy, izay tsy misy afa-tsy eto Madaga­sikara. Fampidirana am-ponja 2 taona hatramin’ny 10 tranomaizina ny sazy miandry ireo voampanga, miampy fandoavana onitra 10 tapitrisa hatramin’ny 100 tapitrisa Ar.
Miisa 25 ny hazo «pachypodium» ka tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ny 20 ary 5 atsy Afrika. Voasokajy ho za­vamaniry arovana, ao anatin’ny sokajy tovana II ao amin’ny lisitry ny Cites ny 4 amin’ireo eto Madagasikara ireo. So­kajiana heloka bevava ny fi­trandrahana, ny fitaterana, ny fanondranana azy any ivelany, satria any amin’ny faritra arovana ny toerana ahitana azy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: