Vaovao tambatra

Hiakatra 0,95 dolara na koa 4 160Ar ny sarany ambany amin’ny tolotra « internet mobile » 1Go manomboka ny 1 aprily. Tsy ara-dalàna intsony ny tolotra amban’io sarany vaovao io aorian’ny daty voatondro tahaka ireo tolotra misy amin’izao fotoana. Mbola latsaky ny 0,95 kosa ny vidin’ny internet mobile eto Madagasikara.

Natao tany Antseranantsoa Miarinarivo ny atrikasa momba ny lalam-pihariana trondro, ny 26 marsa teo. Nokarohina ny vahaolana hisitrahan’ireo mpiompy ny sakafo trondro tena ahazoana vokatra tsara. Nandray anjara tamin’izany ny fikambanan’ny mpiompy, ny mpamokatra zana-trondro sy/na sakafo any amin’ny faritra Itasy.

Hatsangana ny orinasa mpamokatra zezika eto Madagasikara. Vita sonia, omaly, ny fifanarahana, eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae) sy ny orinasa tsy miankina miisa 7 hanatanterahana izany. Hampidina ny vidiny ny fisian’ny orinasa eto an-toerana, satria lafo loatra ho an’ny tantsaha ny zezika avy any ivelany.

Partager sur: