Ambohimangakely : fanodinana lafarinim- bary ho lasa paty

Taninketsa indostrialy manakaiky ny mponina. Nahazo ny anjarany ihany koa ny kaominina Ambohimangakely, distrika Avaradrano. Napetraka ny alarobia teo ny milina hanodina lafarinim-bary ho lasa paty. Hanodina lafarinana 400 kg isan’ora, ahazoana paty 4 t isan’andro ny ozinina.
«Hampiroborobo sy hampivoatra ny faripiainan’ny tantsaha mpiompy sy mpamboly ny fisian’ny milina eto an-toerana», hoy ireo kaoperativa. Hanamora ny fandraisan’ireo mpandraharaha ny vokatra ny ozinina raha nananosarotra ny fitadiavana lalam-barotra teo aloha.
Hisitraka tombontsoa mivantana ny tetikasa ny mpamboly sy ny mpiompy akoho manatody lava. Ao koa ireo mpamboly vary hamatsy akora ho amin’ny fanodinana ny milina.

Fanampiana
Nilaza ny minisitry ny Indostria, ny varotra ary ny fanjifana (MICC), Razafindravahy Edgar, fa «tanjon’ny ODOF ny hanala ny fahasahiranan’ny tantsaha. Antoky ny fampandrosoana ny fijerena ny famokarana sy ny fampiroboroboana azy». Ankoatra izay, hatao tsy ho ela ny antso ho an’ny tetikasa ho an’ireo mpandraharaha liana hitantanana ny milina. Hampiakatra ny harinkarena sy hanatsara ny faripiainan’ny mponina ny indostria.

Henintsoa Hani

Partager sur: