VAOVAO TAMBATRA

Miisa 21 309 ireo mpandeha tamin’ny sambo lehibe mpitondra mpizahantany tonga tao Antsiranana hatramin’ny nanombohan’ny «saison des croisières». Manodidina ny 10 ihany koa ireo sambo vaventy nigadona teny amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana sy ny Nosy Hara nanomboka ny volana novambra 2023.

Mampitombo 47 % ny taham-panondranana mankany amin’ny tsena Afrikanina ny fanatanterahana ny Zlecaf. Mampivelatra ny tsenam-barotra, mampitombo ny karazan-bokatra haondrana, mampisy fifaninanana eo amin’ny rojom-pihariana ary mampivoatra ny fandraharahana eto Madagasikara ny faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta Afrikanina.

Mitohy ny fampidirana ny fitaovana andiany faha-2 hatramin’ny faha-8, ilaina amin’ny foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro, manana tanjaka 50 MW. Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana azy ireo avy any ivelany.

Mitentina 1 miliara Ar ny vola hatokana ho an’ny zotra an-dalamby FCE, Fianarantsoa-Manakara, avy amin’ny minisiteran’ny Fitaterana. Handoavana ny karaman’ny mpiasa, ny latsakemboka Cnaps, hampiodinana ny FCE, hanamafisana sy hiarovana ny fitaovana an-dalamby io vola io.

Partager sur: