Nihintsana teo amin’ny dingana faharoan’ny lalao an’olon-tokana avokoa ireo Malagasy mpilalao tenisy miatrika ny Fifaninanana Afrikanina hatao any Accra Ghana. Tsara marihina fa mbola misy lalao iraisan’olon-droa ho an’ny sokajy lahy sy vavy izay hataon’izy ireo. Tsiahivina fa izay firenena efatra voalohany ihany no manao ny « par équipe ». Mitsahatra kely […]
Mois : mars 2024
Hanatsarana ny volley-ball : hifandinika ireo teknisiana
Mitohy hatrany ny fitadiavana vahaolana sy paikady hanatsarana ny taranja volley-ball, ataon’ny federasiona malagasy. Taorian’ny jery todika natao mahakasika ny fandraisan’i Madagasikara ny “CCZone7” farany teo, hisy ny fampihaonana ireo Malagasy teknisiana. Andro iray atokana ho an’ny mpitantana, mpanazatra, mpikatroka, hifandinihana izay tokony hanatsarana ity taranja ity. Ny sabotsy 23 […]
Lalao ara-pirahalahiana: mpitsara maorisianina avokoa no hitantana ny lalao
Ireo mpitsara avy amin’ny Nosy rahavavy, Maurice, no hiandraikitra ny fihaonana rehetra hatao etsy Mahamasina, mandritra ny lalao ara-pirahalahiana karakarain’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Afaka telo andro sisa, hiatrika lalao ara-pirahalahiana izay tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa” ny ekipa nasionaly malagasy. Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina […]
Tetikasa « elatra » sy « tantsoroka » : hampiofana arakasa ireo niharan’ny herisetra
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tetsy Antaninarenina, ny faran’ny herinandro teo, ny tetikasa “elatra” sy “tantsoroka”. Nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Affaire mondiale Canada ny fondation Aga Khan, ka antony nahafahana nanao izany. Hahazo tombontsoa mivantana amin’izany ireo vehivavy sy zatovovavy miisa 170 niharan’ny herisetra amin’ ny lafiny rehetra. 150 avy amin’ […]
Rosia : nanara-maso ny fifidianana ny Ceni
Nandray anjara tamin’ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fifidianana masi-mandidy, fototry ny fiandrianana, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, ny Ceni. Natao tany Moscou, Rosia, ny herinandro teo, izany ka anisan’ny solontena ny mpampakateny, i Soava Andriamarotafika sy ny tonia mpanatanteraka, Rakotondrasoa Ntseheno. Nisongadina fa iray amin’ny endrika anehoan’ny Rosiana mpifidy ny maha […]




