Rosia : nanara-maso ny fifidianana ny Ceni

Nandray anjara tamin’ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fifidianana masi-mandidy, fototry ny fiandrianana, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, ny Ceni. Natao tany Moscou, Rosia, ny herinandro teo, izany ka anisan’ny solontena ny mpampakateny, i Soava Andriamarotafika sy ny tonia mpanatanteraka, Rakotondrasoa Ntseheno.
Nisongadina fa iray amin’ny endrika anehoan’ny Rosiana mpifidy ny maha masi-mandidy azy amin’ny fireneny ny fandraisany anjara mivantana amin’ny fifidianana. Ny fisahanany ny raharaham-panjakany, hatrany antampony ka hatrany amin’ ny rafitra isan’ambaratonga. Nanara-maso ny fizotry ny fifidianana filoham-pirenena rosiana koa ireto solontenan’ny Ceni ireto, ny 15 hatramin’ny 17 marsa teo. Tonga hatrany ambanivohitr’i Moscou izy ireo tamin’izany. Nambaran’izy ireo fa endrika roa no entin’ny Rosianina mpifidy manatanteraka ny adidiny. “Eo ny fahita mahazatra, amin’ny alalan’ny biletà tokana, toy ny aty amintsika. Eo koa anefa ny fanefan’ny mpifidy ny adidiny amin’ny ampitain-davitra, Vote à distance électronique, amin’ny alalan’ny interineto”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: