Hisy ny « Fandiovana » sy « Saotra », hatao any amin’ny Lapa valo sy fihasignana 12, any Ambohinatao, Ambohimiarinkova Iharagnarivo, kaominina Sahave, distrikan’Ambohimasoa. Ny zoma 22 marsa izao no daty voatondro ho an’ity fomba nentim-paharazana ity, any an-toerana. Olona maro no manatrika izany isan-taona, ka misy ireo avy monina lavitra no manokana fotoana […]
Mois : mars 2024
Literatiora am-bava: miha miverina ny hasin’ny teatra malagasy
Anisan’ny mankalaza ny Iray volan’ny teatra isika eto Madagasikara. Maro ireo ivontoeran’ny kolontsaina no mampiantrano sy manatanteraka izany. Anisan’izany ny eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, amin’ny alalan’ny « Festival Temps Fort Théâtre ». Maro ny hetsika saingy tokana ihany ny tanjona dia ny hamerenana ny hasina sy ny maha […]
Fanamarihana andro maneran-tany: hampiarahina ny « Fetin’ny angano sy ny poezia »
Misy hatrany ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny angano sy poezia, isan-taona. Hiavaka kokoa satria hatambatra ny fankalazana amin’ity, ary manerana an’ i Madagasikara izany. Andro maneran-tany ho an’ny angano ny 20 marsa. Andro maneran-tany ho an’ny poezia kosa ny 21 marsa. Roa andro misesy, natokan’ny Unesco hanandratana ny literatiora. […]
FANTINA sy FINTINA
Nodimandry omaly, teto Antananarivo, ny mpandrindra ny Antoko MMM, miandraikitra ny faritra Amoron’i Mania, ny maître Maminirina Josoa Eugène. Efa lehiben’ny Faritra tany an-toerana, nandritra ny fitondrana tetezamita, ny taona 2009 hatramin’ny 2013 izy. Higadona anio maraina any Ambositra ny vatana mangatsiakany. Anisan’ireo kandidà ho filohan’ny vaomieran’ ny Vondrona Afrikanina […]
kandida depiote: matevina ny dosie homaniny
Alaina eny amin’ny CED na amin’ny “Site” an’ny Ceni ireo taratasy hofenoin’ny kandidà depiote. Eo ny fanambarana firotsahan-kofidiana sy sonia voamarina. Fanambarana fiarahana hilatsaka hofidina, ho an’ireo distrika misy toerana roa. Sora-piankohonana lava, na CIN voamarina. Fanamarinana maha malagasy latsaky ny enim-bolana sy ny fanamarinana fa mbola tsy nisazy – […]




