kandida depiote: matevina ny dosie homaniny

Alaina eny amin’ny CED na amin’ny “Site” an’ny Ceni ireo taratasy hofenoin’ny kandidà depiote. Eo ny fanambarana firotsahan-kofidiana sy sonia voamarina. Fanamba­rana fiarahana hilatsaka hofidina, ho an’ireo distrika misy toerana roa. Sora-piankohonana lava, na CIN voamarina. Fanamarinana maha malagasy latsaky ny enim-bolana sy ny fanamarinana fa mbola tsy nisazy – B3, samy alaina eny amin’ny fitsarana. Dika mitovy kara-pifidianana. Taratasy mi­laza fa nahaloa hetra ho an’ny telo taona farany. Fa­namari­nam-ponenana ary afaka milatsaka na aiza na aiza ny fonenana, na tsy ao anatin’ilay distrika ilatsahana aza.
Manampy ireo ny fanambaran’ireo mpisolo toerana. Samy manao dosie toy ny lohalisitra ireo kandidà laharana faharoa, sy ireo mpisolo toerana rehetra. Anisan’ny taratasy ataon’izy ireo ny fanekena ny hanaja ny mangarahara amin’ny fitantanam-bolan’ny propagandy, sy ny fanaovana tatitra momba izany. Ny taratasy fanendren’ ny antoko politika, na vondron’antoko politika mijoro ara-dalàna, raha toa ka kandidà an’antoko politika. Ny fana­marinana nandoavana ny anto-bola 20 000 000 Ar. Ny “Matrice” na “Support électronique” ahitana ny sary na anaran’ny kandidà atao amin’ny biletà tokana. Eo koa ny dika mitovy amin’ny fanambaram-pananana.
Hanomboka ny alarobia 27 marsa ka hatramin’ny alatsinainy 8 avrily ny fanaterana izany eny anivon’ny Ovec (Distrika). Hamoaka ny lisitr’ ireo kandidà voatana ny Ceni ny 18 avrily ary hanomboka ny 8 mey ka hatramin’ny 27 mey kosa ny propagandy.

Synèse R.

Partager sur: