Mois : mars 2024

Filatsahana an-tsitrapo: nanao tatitra ireo japoney avy amin’ny Jica

Noraisin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ireo japoney mpilatsaka an-tsitrapo nahavita ny asany nandritra ny 2 taona, teny amin’ny oniversiten’Itasy, Soavinan­driana. Manampy amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eny amin’ny anjerimanontolo ny fiaraha-miasa amin’ny Jica, amin’ny alalan’izy ireo. Anisan’ny tonga nanao tatitra ny asa vitany i Take­haru […]

Toliara: hofanina arakasa ireo voafonja

Ny faran’ny herinandro teo, nijery ny zava-misy iainan’ny voafonja ny mpitahiry ny tombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nambarany tamin’izany, fa tsy maintsy hampitomboina ny fanofanana ny voafonja any an-toerana. Tanjona ny hanamafisana ny fanarenana ny fiainan’izy ireo aorian’ny famitany ny saziny. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana dia […]

“Trail Ibity”: Hanangonam-bola ho an’ny ankizy tsy ampy sakafo

Hotanterahina ny alahady 7 avrily ho avy izao, ny andiany fahavalo amin’ny “Trail Ibity”. Fifaninanana karakarain’ny Association Antenna Madagascar ao Ibity, izay miahy ny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo. Araka izany, hampiantrano ity hetsika ity ny faritra Vakinankaratra. Hia­vaka amin’ireo andiany teo aloha ity satria mitondra fana­tsarana hatrany ny mpikarakara. […]

Fanomanana ny « Top 12 »: misongadina ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray

Notontosaina teny amin’ny kianja Makis Andohatape­naka, omaly, ny lalao fanomanana ny fifaninanana nasionaly “Top 12”, taranja rugby. Nisongadina tamin’izany ny fandresena azon’ny Cosfa miaramila sy ny FTM Man­jakaray. Ny mpilalaon’i Man­jakaray, nandresy ny TFMA Ankasina tamin’ny isa 33 no ho 28 ary ny Cosfa miaramila, nandavo ny TFA Anatihazo, tamin’ny […]