Mois : mars 2024

TARATRY ny KANTO

Nitohy tany Analanjirofo ny fampiofanana ireo mpisehatra ao anatin’ny zavakanto. Tafiditra anatin’ilay tetikasa “Prom’Art”, izay novolavolain’ny fitaleavana misahana ny zavakanto sy ny fanapariahana ny kanto eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, izy ity. Mpisehatra 40 no nahatozo ny fiofanana ka afaka miatrika ny tsenan’ny zavakanto, isaky ny sokajy misy […]

CCEsca : fahombiazana hatrany ny fampisehoan’i Niu Raza

Tontosa omaly, teny amin’ ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana niarahana ta­min’i Niu Raza, ao anatin’izao fandalovany eto Madagasi­kara izao. Sahala amin’ny efa niarahana tamin’ity mpanakanto ity hatramin’izay. Hafa sy nahafa-po, indrindra ny mpankafy, hatrany ny fampisehoana nataony. Vitan’i Niu Raza ny manome fahafaham-po ny mpanaraka azy, tamin’ny alalan’ny seho amin’ny […]

Viavy Film Festival : lasan’i Nya Rafali ny amboara “Tresse d’or”

Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny lanonana nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny valin’ny fifaninanana “Viavy Film Festival”, andiany voalohany. Nya Rafali sy Rova Andriantsileferintsoa ary Mazigna Barros no nandrombaka ny amboara, nandritra izany. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, azo lazaina ho tratra ny tanjona tamin’ity andiany voalohany […]

Mitohy hatrany ny fampisehoana… : miezaka manohy ny « Revy Mahaleo » ny taranaka

Mbola mijoro manohy ny revy i Dama sy i Bekoto. Milahatra amin’izy mirahalahy eo ireo taranaka Mahaleo, sy ireo mpankafy manjohy hatrany. Nanakoako tetsy Antsahamanitra indray ireo hira tsy tontan’ny ela. Miezaka. Izay no tena mahafehy azy, raha hiresaka mahakasika ny «Revy Mahaleo», tetsy Antsahamanitra, omaly. Nie­zaka i Dama sy […]

FANTINA sy FINTINA

 Anisan’ny mampihisatra ny fanenjehana mpitantana ambony eto amin’ny firenena ny olana ara-pitsarana sy ara-politika, araka ny nambaran’ny filohan’ny SMM, Andriantsihorisoa Mbintanarivo. Miantso ireo mpitsara namany koa izy mba hihaino ny feon’ny fieritreretany avy.  “Misy antony ao matoa ny olona miteny hoe misy kajikajy politika ny fampitomboana ny isan’ny depiote hofidina”, […]