Handray anjara amin’ny fifidianana depiote ny eo anivon’ny Kolekitifa ho an’ny Malagasy. Nambaran’izy 5 mirahalahy fa mila mifidy ny kandidà hatolotry ny Kolekitifa ny vahoaka ho fanohizana ny tolona efa natao. “Afaka mifidy ny kandidàn’ny mpanohitra isika amin’ireo toerana tsy ahitana ny kandidànay”, hoy izy ireo. Anisan’ny paikady amin’izany ny […]
Mois : mars 2024
Miova raha te hanova
Ady saritaka ny eny anivon’ny vondrona na antoko politika amin’izao? Amin’ny hoe: iza no harotsa-kofidina ho solombavambahoaka, iza no mety hofidin’ny vahoaka ifotony, iza no azo antoka fa tsy hivadika… ? Ady fiady izay, fa samy te ho lohany. Izay hahazoana toerana maro eny anivon’ny Antenimierampirenena amin’izao no kajikajina […]
Filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent : «Hahintsana ireo kandidà mampiasa fitaovam-panjakana»
Hentitra sy nahitsy ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, amin’izao fiatrehana ny fifidianana depiote izao. Handray fepetra ho an’ireo kandidà mihoa-pefy izy ireo. Mahavelom-panantenana? “Tsy hiandry fitoriana izahay fa handray andraikitra avy hatrany rehefa voamarina fa nandika lalàna ny kandidà iray. Hilatsaka ny sazy ho azy ireny ka anisan’izany ny fanalana […]
TSELATRA
Olona sivy mpiasan’ny Jirama no indray naratra vokatry ny fivadihan’ny lamasinina iray tao akaikin’Andasibe, PK 206, ny sabotsy teo. Fiarandalamby mampitohy an’Andasibe sy Andekaleka ity tra-doza tampoka ity. Nitondra ireo mpiasan’ny Jirama hiasa ity lamasinina ity kanjo izao nivadika teny am-pandehana izao. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary. Reseveran’ny Paositra roa […]
Cocaïne : amidy 4 500 euros ny iray kilao
Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Nosy Be, ny sabotsy teo, ny teratany maorisianina iray sy Malagasy enina, voarohirohy ho tompon’antoka tamina trafikana zava-mahadomelina mahery vaika antsoina hoe «haschich» (zava-mahadomelina mahery vaika iray karazana amin’ny cocaïne). Saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Diego Hely Dzamanjar, Nosy Be, ny zoma, ity tambajotrana […]




