Mois : mars 2024

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina anio sy rahampitso ny fifaninanam-pirenena «Pureplay Football League (PFL)», taranja baolina kitra. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro amin’izany, ny fihaonan’ny AS Fanalamanga Atsinanana sy ny Ajesaia Bongolava. Hifanandrina amin’ny TFFC kosa ny Fosa Junior. Hatao manomboka ny 18 marsa ho avy izao ny fampivondronana ireo Malagasy mpilalaon’ny Barea hiatrika […]

“Youzou Smatchin Orange” : hafana ny manasa-dalana

Hiditra sahady amin’ny lalao manasa-dalana ny fifaninanana “Youzou Smatchin Orange”, taranja basikety, tanterahina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hafana tanteraka ny lalao manasa-dalana, anio, satria ekipa sangany avokoa no tafakatra hiatrika izany. Anisan’izany ny tompondaka farany, teo amin’ny sokajy lehilahy, ny UMagis izay nandresy ny EMIT Fianarantsoa, omaly, nandritra ny […]

«Ligue des Champions»: hiverina hihaona ny Real Madrid sy ny Man City

Hafana tanteraka ny fihaonana eo amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”. Hifandona ireo samy ekipa sangany. Notontosaina omaly, tany Nyon Suisse, ny antsapaka hahafantarana izay ho mpifanandrina amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions (LDC) 2024”. Taorian’izay, hiverina hihaona indray ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Ny faharanitan-tsaina artifisialy sahaza sy tomponandraikitra ho an’ny mpanjifa, io ny lohahevitra noraisina nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa, omaly. Samy nitondra fanazavana mahakasika izany ny tomponandraikitra samihafa. Nambarany fa zon’ny mpanjifa ny hahafantatra sy hisitraka zavatra tsara. Mahasarika mpizahatany eto Madagasikara ny faritra atsimon’ny Nosy […]

Fandefasam-bola: miara-miasa ny BNI Madagascar sy ny MoneyGram

Mivoatra hatrany ny tontolon’ny fandefasam-bola eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Misitraka izany i Mada­gasikara amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny BNI Mada­gas­car sy ny MoneyGram, izay mikendry manokana ny hanamorana ny fandefasana vola any ivelany eto amintsika. “Tombony amin’izao fiaraha-miasan’ny roa tonta izao ny fahazoana vola avy any ivelany, izay azo alaina mi­vantana eny […]