Mois : mars 2024

Baobab Energy Solutions :Hampiroborobo ny fampiasana ny angovo azo havaozina

Tanjona apetraka maneran-tany ny fampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Maneho izany indrindra ny fiaraha-miasan’ny Baobab banque Madagascar sy ny Baobab+, amin’ny alalan’ny tolotra « Baobab Energy Solutions » (BES) omeny. Hanamora ny fiainan’ny mpandraharaha madinika sy ny tokantrano samihafa hisitraka ny fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, toy ny vata fampangatsiahana, […]

Pam-Men: Hampahomby ny fampisakafoana an-tsekoly

Niompana tamin’ny ezaka ha­natomombanana ny fampisakafoana an-tsekoly ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny Fa­na­beazam-pirenena, Sahon­­dra­­ri­­malala Marie Michelle, sy ny ekipa avy amin’ny Fanda­haranasam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (PAM). Nodinihina tamin’izany ny famatsiana sy ny fampitaovana ny fampisakafoana an-tsekoly ireo mpianatra amin’ny sekolim-panjakana. Teo koa ny fampiofanana ireo tomponandraikitra amin’ny fitantanana izany, fanomezana sakafo […]

Fampianarana teknika : Hizara fifanarahana arakasa 400

Tamin’ny “poste budgétaire” (fahafahana mampiditra mpiasa) 1 000 anjaran’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ho an’ny taona 2022, araka ny naoty nivoaka ny 14 oktobra 2022. Ny toerana 400 tamin’ireo, nandraisana ho mpiasam-panjakana ireo vacataires efa mpiasa teo anivon’ny minisitera ary ny 600 ambiny kosa nampidirana mpiasa vaovao. […]

Fisitrahana rano : nanolotra tobin-drano iray ho an’ny Epp Ambatobe ny Fondation HV

Olana matetika eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra Ambatobe ny fahatapahan-drano. Anisan’ny nanampy betsaka azy ireo ny tolotra tobin-drano avy amin’ny fondation HV. Nanolotra tobin-drano iray ho an’ny Epp Amba­tobe sy ny mpianatra ao aminy ny Fondation HV. Notokanana omaly, teny an-toerana, natrehin’ny tomponandraikitry ny fikambanana sy ny mpianatra ary ny teo anivon’ny sekoly izany. […]

INDRAY MIJERY

Misy fiforonana orana tandrifin-drahona any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, omaly sy anio. Hitohy hatrany ny orana malefaka amin’ny faritra ava­ratra atsinanana sy afovoany atsinanan’ny Nosy. Ho maina kosa ny andro any amin’ny faritra sisa. Tetikasa iarahan’ny Nifin’Akanga, ny Coalition des radios ary ny tambajotra Mihari manatanteraka ny Fagnoro Vavy. Haharitra […]