Isan-taona, manana solontena mandray anjara amin’ny hetsika “PharmagoraPlus” izay hairanty lehibe atao any Paris ny farmasianina malagasy, ny faran’ny herinandro teo. Fihaonana naharitra roa andro. Natokana ho an’ny farmasianina sy ny mpiasan’ny fahasalamana ary ny mpisehatra amin’ ny fivarotam-panafody. Nisy ny fifanakalozana amin’ny samy farmasianina matihanina. Nisy ny fijerena ireo […]
Mois : mars 2024
Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena: tsy nanaiky ny fangatahan’ny foibem-panadinana tolo-tanana
Namoaka naoty ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny faran’ny volana janoary. Maimaimpoana ny fisoratana anarana ho amin’ny fanadinana CEPE sy BEPC. Taorian’ny fangatahana tolo-tanana (vola) nataon’ny lehiben’ny foibem-panadinana hisahana ny CEPE ary ny BEPC tamin’ny ray aman-drenin’ny mpiadina, nihetsika ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nisy ny filazana navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Maimaimpoana […]
VAOVAO TAMBATRA
Nandray ireo mpianatra ho injeniera ao amin’ny sampana Taotrano sy Asa vaventy eny amin’ny sekoly ambony Politeknika Vontovorona ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja, omaly. Anisan’ny nangatahan’ireto mpianatra taona fahaefatra ireto tamin’ny minisitra ny ho mpiahy ny andiany faha-51. Miisa 90.000 ny fototra kafe antitra notapahana mba […]
Tsy fahampian’ny tetibola: hisy ny hetra ara-tontolo iainana
Anisan’ny ady hiadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny fanatsarana ny tontolo iainana. Tsy ampy anefa ny hoenti-manana sy ny tetibola hanatanterahana ireo paikady samihafa mifandraika amin’izany. Vahaolana raisin’ny fanjakana hiarovana ny tontolo iainana sy ho an’io tsy fahampian’ny tetibola io ny hametrahana ny hetra ara-tontolo iainana. Efa nisy ny fakan-kevitra natao […]
Tsy hoe ” kely veta”
Anisan’ny depatemanta iray, andrin’ny firenena ny eo anivon’ny fanabeazana. Anisan’ny minisitera mahabe resaka indrindra ihany koa anefa ny fomba fiasany amin’ izao fotoana izao. Asa noho izy manakaiky vahoaka sy mahakasika mivantana ny ankizy sy ny zatovo? Teboka iray mbola ifandrirotana ny mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana, Lohahevitra tsy azo […]




