Tontosa omaly, teny amin’ny foibe toeran’ny fitsarana fiarakodia Alarobia, ny famindram-pitantanana teo amin’ny tale jeneralin’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR), ny tale jeneraly teo aloha, ny Jly Kassimo Arona Besony, sy ny tale jeneraly voatendry hisolo toerana, ny Jly Reribake Jeannot. Vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly ka hotohizana ireo ezaka efa […]
Mois : mars 2024
INDRAY MIJERY
Nanatanteraka fihaonana ho fametrahana modely momba ny tandindon-doza mifototra amin’ireo singa fandrefesan’ny INFORM ny BNGRC sy ny mpiara-miombon’antoka avy amin’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana sy ny GIZ. Ho fanamafisana ny fahafahan’ny mponina miatrika ity paikady ity, izay novolavolaina niaraka tamin’ireo firenena mpikambana. Tsy mbola midina ny vidin’ny anana sy ny legioma […]
Spotlight Initiative 2.0 : kendrena ny hampahaleo tena ny vehivavy
Ao anatin’ny fandaharanasam-pirenena “Spotlight Initiative 2.0”, nanatanteraka fitsidihana tany Toamasina ireo mpiara-miombon’antoka voakasika izany. Nitarika ny iraka tany an-toerana ny mpandrindra ny rafitry ny Firenena mikambana miasa sy monina eto Madagasikara, Issa Sonogo. Renivohitry ny toekarena i Toamasina kanefa koa iharan’ny tondradrano matetika rehefa misy rivodoza. Lasibatry ny fiantraikan’izany ny […]
Fandaharam-pibeazana: nomena tantsoroka ny mpampianatra
Nomena tantsoroka momba ny fandaharam-pibeazana ho an’ny kilasy T1 hatramin’ny T9 ireo mpampianatra sy talen-tsekoly ao anatin’ny Cisco 18 manerana ny Nosy. Nahatratra 170 ireo talen-tsekoly niatrika ny fiofanana ary 2 161 ireo mpampianatra. Ny 1 227 tamin’izy ireo dia mpampianatra amin’ny kilasy T6 hatramin’ny T9 raha mpampianatra amin’ny kilasy […]
Fanambadiana an-tery: 12 % ny ankizy latsaky ny 15 taona terena lasibatra!
Mbola lavitra ny ezaka momba ny fanabeazana ara-pananahana eto Madagasikara. 40% ny zatovovay latsaky ny 18 taona, 12 % ny latsaky ny 15 taona, terena hanambady. Firenena mbola ahitana fampanambadiana ankizy eto Madagasikara. Laharana faha-14 maneran-tany i Madagasikara amin’ny fampanambadiana aloha ny zatovovavy. 40,3% ny tovovavy no manambady mialoha ny […]




