“Hiaro ny marina ary ny marina hatrany aho”, hoy ny filohan’ny Antenimiera, Razanamahasoa Christine, omaly, tany Frantsa. Nanteriny fa tokony hofadiana ny mirary ratsy ny tsy mitovy hevitra politika. Tsy rafitra koa no olana eto fa ny olona, araka ny nambarany. “Afaka manova ny tantara ny vehivavy”, hoy ihany izy. […]
Mois : mars 2024
Fiadidiana ny Repoblika : nivoaka ny anaran’ireo mpikamban’ny HCDDED
Noraisin’ny filohan’ny Repoblika ny didim-panjakana lah. 2024-467, tamin’ny 6 marsa, hanamarinana ireo mpikambana voafidy sy voatendry handrafitra ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna na ny Haut conseil pour la défense de la démocratie et de l’état de droit (HCDDED), araka ny fampitam-baovao avy amin’ny fitaleavan’ny serasera […]
Sadasada sy fitaka
Mihazakazaka izaitsizy ny fanomanan’ny tsirairay sy ny fikambanana ary antoko manan-katokona hoenti-miatrika ny fifidianana solombavambahoaka, hatao ny 29 mey ho avy izao. Ny antoko goavana sy ny vovonana mpanohitra aza efa nahavita namoaka ny anarana sy ny fahazoan-dalana ho an’ny kandidà hirotsaka amin’ny anarany. Andrasana ny avy amin’ny fitondrana na […]
Fiatrehana fifidianana depiote: mahita tsy fanarahan-dalàna ny Safidy
Hanao ahoana ny fanatanterahana ny fifidianana depiote? Amin’izao, mahita tsy fanarahan-dalàna ny Safidy: tokony ho efa nivoaka ny didim-panjakana fanaikana mpifidy. Fanehoan-kevitra… “Ny And. 49 ao anatin’ ny lalàna mifehy ny fifidianana 2018-008 no milaza fa tokony havoaka miaraka ireo didim-panjakana fihaikana mpifidy, ny amin’ny anto-bola firotsahan-kofidina, ny fikakarana ankapobeny, […]
TSELATRA
Voasambotry ny polisy ao amin’ny kaomisaria foibe ao Morondava, omaly, teo amin’ny toeram-piantsonan’ny taksiborosy ny jiolahy roa malaza ratsy amin’ny asa fisolokiana. Naharay fitarainana ny polisy momba ny fisian’ireto roa lahy ireto misoloky olona ao Morondava. Niroso tamin’ny fisavana azy ireo ny polisy ka ody ratsy maromaro niaraka tamin’ny mohara […]




