Mois : mars 2024

Bemasoandro Itaosy: mpanendaka niharan’ny fitsaram-bahoaka

Tsy mety fay ! Niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo mpanendaka roa lahy tratran’ny fokonolona nanendaka teny Bemasoandro Itaosy, afakomaly. Lehilahy iray no nendahin’izy roa lahy tamin’iny lalana hiakatra ny Horizon Itaosy iny. Noraisin-dry zalahy tamin’ny vozon’akanjony ilay niharam-boina. Nazeran’izy ireo tamin’ny tany sady nalainy an-keriny ny finday teny aminy. Nitsoaka avy hatrany ireo […]

Amoron’Ankona : mpiasa telo lahy indray maty nihotsahan’ny tany

Maty ny telo lahy tamin’ireo mpiasa valo nanamboatra « mur de soutiennement » teny Amoron’Ankona Ambohimangakely, omaly. Nihotsaka tampoka ny tany ka tototra izy telo lahy Mpiasa miisa valo no nikarama nanamboatra « mur de soutiennement » mirefy 15 metatra ny haavony teny Amoron’Ankona Ambohimangakely, omaly ato­andro tamin’ny 11 ora sy 30 mn. Nihotsaka […]

FJKM Betela Toamasina : raikitra ny fifandonana, olona iray naratra

Mbola tsy milamina ny disadisa miseho eo amin’ny samy mpino ao amin’ny fiangonana FJKM Betela Tanambao fahadimy ny marainan’ny alahady 10 marsa teo, nandritra ny fotoam-pivavahana. Tamin’ny voalohany, nizotra soa aman-tsara ny fotoam-pivavahana tsy nisy trangan-javatra nampiahiahy. Ny mpitandrina mpanampy mpiandry toerana no nitarika ny fanompoam-pivavahana, satria mbola marary mitsabo […]