Mois : mars 2024

TSELATRA

Lehilahy nangalatra moto miisa roa voasambotra tao Ambohitrarahaba, afakomaly. Nanamafy ny fanaraha-maso teny amin’ny manodidina noho ny firongatry ny halatra moto tato ho ato ny polisy. Nitondra kojakojana moto io lehilahy io ary nampiahiahy ny fihetsiny. Noraisim-potsiny taorian’ny fanadihadiana azy ity lehilahy ity. Tranombarotra iray lasibatry ny fandrobana tao Ambalampa, […]

Ambohimangakely : saika handositra, voatifitry ny zandary Rasala

Maty voatifitra ny jiolahy raindahiny tao Ambohitra­kanga, fokontany Ambohi­trom­bihavana, kaominina Am­bohimangakely, ny 8 marsa teo. Namoahan’ny zandary taratasy fikarohana izy. Ni­fanojo tamin’ny zandary iray namita iraka teny 67 Ha izy ka voasambotra. Nentina natao famotorana, nitoroka ireo niray tsikombakomba taminy izy. Nentina hanondro ireo mpiara-miombon’antoka taminy. Nivadika ny lehilahy rehefa […]

Efa nigadra indroa : mpisandoka ho tafika voasambotra

Nosamborin’ny zandary noho ny fisandohana andraikitra sy fisolokiana tao Ambohimalaza, ny 7 marsa teo, ny lehilahy iray sy ny sakaizany. Mitonon-tena ho mahatafiditra mpiasa eo anivon’ny Primatiora ity mpamerin-keloka ity. Mbola milaza ho mahavita mampiditra ireo rehetra nahavita fanompoam-pirenena ho miaramila izy. Reseny lahatra ireo lasibany fa azony atao koa […]