Mois : mars 2024

Fidiovana sy tsodrano : fomba fototry ny fankalazana ny taom-baovao malagasy

Tsy finoana fa fomba malagasy ny taom-baovao. Anisan’ny fomba teto Mada­­ga­sikara nandritra ny taona maro, efa hatry ny ela ny fidiovany ny tenany. Fomba fanao entina mankalaza ny taom-baovao io fidio­vana io sy ny tsodrano. Endrika ara-kolotsaina manome lanja ny soatoavina maha Malagasy ny taom-baovao tamin’ny faha mpanjaka, teto Imerina. […]

FANTINA sy FINTINA

Notendren’ny papa Fransoa ho evekan’i Mia­rinarivo ny Mgr Rakotoarisoa Jean Claude. Efa vikera jeneralin’ny diosezin’i Tsiroanomandidy ary tale nasionalin’ny Œuvres Pontificales Missionnaires izy, mialoha izao fanendrena izao. Nianatra sy nandalina ny “Droit canonique”, tany Roma. Tsiahivina fa teraka ny 4 oktobra 1971 ny tenany Hanao fivoriambe ny Sendikàn’ny mpirakidraharahan’ny fitsarana […]

Famoronana distrika: “Matahotra tsy hahazo maro anisa ny mpitondra”

Naneho ny heviny momba ny famoronana distrika vaovao, ny filoha nasionalin’ny Otri­kafo, Rabevahiny Elia. Nam­barany fa tafiditra anatin’ny kajikajy politikan’ny mpitondra fanjakana, izay mitady ny maro anisa eo anivon’ny Ante­ni­mi­erampirenena izany. “Manao ny fomba rehetra hahazoana an’izay ry zareo. Anisan’izany io fanokafana ny distrikan’An­tanimora Atsimo io”, hoy ha­trany izy. “Tamin’ny […]

Ady an-toerana… hilaminana

  Nahabe resaka tato ho ato ny amin’ny fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy. Ny amin’ny fanasaziana amin’ny alalan’ny famosirana ny raharaha fanolanana zaza tsy ampy taona no antony. Nisy ny fampiakaram-peo amin’ny fiarovana zon’olombelona. Tonga hatramin’ny fitsabahana amin’ny raharaha anatiny ny avy any ivelany amin’izany? Ao ny mihevitra fa izay […]

Vovonana Firaisankina : “Tsy azontsika ekena ny fandikan-dalàna”

Efa anatin’ny fampahafantarana tsikelikely ireo ho kandidà hiatrika ny fifidianana depiote ny vovonana Firaisankina, ahitana ny Tim, HVM, APM ary ny Tsaratahafina. Nohitsin’izy ireo tamin’izany ny tsy fanarahan-dalàna. Nambaran’ny filoha mpi­ara-mitantana ny Vovo­nana, Ravalomanana Marc, tamin’ny faran’ny herinandro, fa mbola misy ny tsy fanarahan-dalàna. Roa herinandro mialoha ny fametrahana dosie […]