Tapitra ny lalan’i Madagasikara, teo amin’ny taranja karate katà, nandritra ny andiany faha-13 ny “Lalao Afrikanina”, atao any Ghana. Tsy nahazo ny medaly alimo i Gaëlle rehefa resy, nanoloana ilay Egiptiana, omaly. Dingana iray tsy nahatongavana teo amin’ny “podium”, tsy nahafa-bela an-dRakotonindrina Gaëlle Linda, niatrika ny Paruren, katà, taranja karate, omaly. […]
Mois : mars 2024
Ao anatin’ny 100 andro : volamena 500 kg haondrana ara-dalàna
Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana ny hanomezan-danja ny sehatry ny volamena. Hapetraka ny fanadiovana volamena (raffinerie aurifère nationale). Hisy koa ny fanadihadiana lalina mialoha ny fananganana ny fotodrafitrasa ao anatin’ny 100 andro. Tanjona, araka izany, ny hanondranana volamena milanja 500 kg amin’ny fomba ara-dalàna mandritra io vanim-potoana io. Noho izany, hentitra ny […]
« TBF -7 » : hampiroboroboana ny fizahantany anatiny
Hatao ny 15-17 marsa ho avy izao ny hetsika “Tsenaben’ny Fizahantany” (TBF), andiany fahafito. Miara-mikarakara azy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA) sy ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Etsy amin’ny zaridaina an’ Antaninarenina ny toerana hanaovana azy, entina hampiroboroboana ny fizahantany eto an-toerana, sady hanohanana […]
Base Toliara : Mandroso ny fikarakarana ny fisokafany
Manafaingana ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny fitrandrahana vaventy, anisan’ny fanoitran’ny fampandrosoana. Mandeha ny fifampidinihana manodidina ny tetikasa momba ny harena an-kibon’ny tany. Nambaran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy, tao amin’ny televiziona malagasy, ny alatsinainy 4 marsa […]
Fankalazana ny 8 marsa: miofana, mifanohana ny samy vehivavy
Nanomboka afakomaly no mifanaretsaka ao Toamasina ny solontenan’ny vehivavy manerana ny Nosy. Miara-mankalaza ny Andron’ny 8 marsa amin’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika izy ireo. Ankoatra ny «carnaval medicale» dia misy ny fanentanana samihafa. Manginy fotsiny ny fizarana “kits de démarrage” sy fanomezana Certificat ho an’ireo niofana tamin’ny “formation de masse en […]




