Mois : mars 2024

INDRAY MIJERY

Mitohy any amin’ny oniversiten’Analanjirofo, Fenoarivo Atsinanana, indray ny fanofanana mpampianatra ataon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tanjona ny hanamafisana ny traikefan’izy ireo, hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony. Efa nisy koa ny fanofanana natao tany amin’ny oniversiten’Itasy. Tanterahina ao amin’ny kianja manara-penitra Ambohitahara, Ambohidratrimo, ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy […]

Tsy hihemotra ny fanjakana : “Tsy maintsy vosirina ny mpanolan-jaza”, hoy ny Fitondram-panjakana

Samy nanamafy ny Filohan’ny Repoblika sy ny minisitry ny Fitsarana fa tsy maintsy hampiharina amin’ireo mpanolan-jaza ny famosirana satria efa vita ny 26 febroary lasa teo ny « promulgation ». Nanamafy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny fitokanana ny fotodrafitrasa ho an’ny mpitandro ny filaminana an-tanàn-dehibe tany Toama­sina, omaly, fa manameloka […]

CGM/GZ Analakely: hanome sehatra kokoa ireo karazana kanto

Asa efa nataony hatrizay… Fa mbola manamafy ny fanohanany ny zavakanto malagasy ny ivokolo malagasy-alemà, CGM/GZ etsy Analakely. Anisan’izany ny fanomezana sehatra ireo tetikasa maro manodidina ny kanto. Tsy ny fampianarana ny teny alemà ihany no iandraiketan’ny CGM/GZ etsy Analakely. Efa hatramin’ izay nisiany no nanana andraikitra lehibe amin’ny fampiroboroboana […]

TARATRY ny KANTO

“Ho an’i Mikakely” – M’Lam Manakambahiny. Tsy mitsahatra ny tolo-tanana ato amin’ity toerana ity, ho fanampiana amin’ny fitsaboana an’i Mikakely. Hiaka-tsehatra anio, manomboka amin’ny 5 ora hariva ry Théo Rakotovao, Teddy Solo sy ny namany, ary ny Faith. Hitohy ny sabotsy miaraka amin’ny Raozin’ny Paradisa, Hery Vaika, Tarika Tary, ary […]

« Temps Forts Théâtre »: Tanjona ny hamerina ny maha izy ny teatra

Tanterahina eny amin’ny Institut français de Mada­gas­car (IFM Analakely), manomboka ny 10 marsa hatramin’ny 28 marsa 2024, ny «Temps Forts Théâtre», andiany voalohany. Hetsika natao hanasongadinana ny teatra na ny tranainy na ny moderina. Fotoan-dehibe ho an’ny fianakaviamben’ny teatra izany. Vondrona maro samihafa, mpiangaly ny haikanto no hitondra seho hanamarihina ny […]