Mois : mars 2024

FANTINA sy FINTINA

Sarahina amin’ny distrikan’Ambovombe ny distrikan’Antanimora Atsimo, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha. Mifototra amin’ny fepetra ara-jeografika, toy ny fahalaviran-toerana sy fitokana-monina ny fanadihadian’ny minisiteran’ny Atitany amin’izany. Eo koa ny fepetra momba ny fitoviana ara-toekarena sy sosialy ary kolontsaina. Maromaro ireo fanendrena prefet sy sefo distrika tamin’ny filankevitry […]

Fifidianana: “Azo eritreretina ny hahamaro anisa ny mpanohitra”

“Mety azo eritreretina ny tsy hahamaro anisa ny eo anivon’ny fitondrana eny amin’ny Antenimierampirenena”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fi­om­bonana, Retogniane Durlin, ny amin’ny fiatrehana fifidianana depiote. Hita fa miady izy samy izy manohana ny fitondrana amin’izao fotoana izao, raha tsy hiresaka afa-tsy ny TGV sy ny Upar. […]

Mbola tsy manam-pidiny

  « Arahabaina ny andriambavilanitra… tratry ny asaramanitra!? ». Toy ny firenen-drehetra maneran-tany, mankalaza ny andron’ny 8 marsa, hoenti-manamarika ny ady natao higohan’ny vehivavy ny zo fototra tokony hananany i Madagasikara. Maro ny hetsika enti-manamarika izany manerana ny Nosy. Hetsika mampiseho fa mahavita azy ny vehivavy, mendrika ny homen-kasina, tsy ho amba­kan’ny […]

100 andron’ireo minisitra : mitaky vokatra miantraika amin’ny vahoaka ny Filoha

Nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra afakomaly, teny Iavoloha, ny toromarika nomen’ny filohan’ny Repoblika amin’ireo minisitra. Anisan’izany ny fandrefesana ny 100 andro amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Hentitra ny filoha. “To­ko­ny hahitana tetikasa goa­vana sy miavaka ahazoana vokatra azo tsapain-tanana sy mipaka any amin’ny fiainam-bahoaka sy any amin’ny fandaharanasan’ny minisitera tsirairay […]