Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, afakomaly, manampy an’i Dawilly, ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy kely 6 taona tao Ampary, distrikan’i Soavinandriana. Naharay fitarainana ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Soavinandriana momba ny fisiana lehilahy iray 21 taona nanao fihetsika feno habibiana tamina ankizivavy kely iray […]
Mois : mars 2024
Ady tany: lehilahy hita faty, potika ny tarehiny
Niafara tamin’ny vonoan’olona feno habibiana indray ny olana ara-tany tao amin’ny fokotany Ambohimarina, distrikan’Ambanja, afakomaly. Naharay fampitam-baovao momba ny fisian’olona hita faty ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Marovato, afakomaly tolakandro. Araka ny fitsirihana nataon’ny zandary, naratra mafy ilay raim-pianakaviana niharam-boina ka namoy ny ainy teny an-dalana hihazo ny hopitalin’Ambohimarina. […]
67 ha Avaratra : lehilahy voatsatok’antsy teo amin’ny tendany
Dian’antsy indroa no hita teo amin’ny tendan’ny raim-pianakaviana iray 36 taona niharan’ny fanendahan-jiolahy teny 67 ha Avaratra, omaly maraina tamin’ny 5 ora sy 30 minitra. Tsy milamina intsony! Izay no azo ilazana ny zava-misy iainan’ny mponina isan’andro. Naratra mafy teo amin’ny tendany ny raim-pianakaviana iray 36 taona niharan’ny fanafihan-jiolahy nitondra […]




