Mois : mars 2024

Emergence de Madagascar: hanolotra kandidà ho an’ny IRD

“Raha te hanao politika ny tsirairay ka te handray andraikitra amin’ny firenena, manolotra anarana any amin’ny IRD hisafidy izay mamim-bahoaka ny Emergence Madagascar. Izay olona mety ho voafidy, manana traikefa sy fahaiza-manao, manana ny fahaiza-manentana ny vahoaka amin’ny fampandrosoana no hatolotra”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Emer­gence de Madagascar, Raboanarijaona […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina nanomboka omaly ny lalaon’ olon-tokana, lahy sy vavy, amin’ny taranja tenisy am­bony latabatra, ho an’ny “Jeux Africain”. Nihintsana teo amin’ny dingana faha-64 ry Fabio, lehilahy, sy i Fitia, vehi­vavy. Tsara marihina fa mbola misy ny lalao « double » sy « par équipe » hataon’izy ireo. Hotanterahina manomboka anio, any Lomé Togo, ny […]

Tsipy kanetibe : nisongadina ny ekipan’ny CBT Analamanga

Tontosa, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Kianja Fitaratra Malaza An­doharanofotsy, ny lalao fanokafana ny taom-pilalaovana 2024, ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana nokarakarain’ny federasiona sport boule malagasy (FSBM). Ni­songadina ny ekipan’ny CBT Analamanga, teo amin’ny senior olona telo miaraka, lehilahy, nahitana an’i Doda sy i Hery ary i […]

“Lalao Afrikanina” : Atleta malagasy 64 hifaninana ao Ghana

Nanainga ny zoma 1 marsa teo ny andiany voalohany amin’ny delegasiona malagasy hiatrika ny andiany faha-13, “Lalao Afrikanina” hatao any Accra Ghana. Miisa 64 ireo atleta hifaninana, amin’ny taranja 12. Efa manomboka tonga tsikelikely ao Accra Ghana ny delegasiona malagasy, hiatrika ny andiany faha-13 amin’ny “Lalao Afri­kanina”. Tonga any an-toerana […]