Nanatanteraka fambolen-kazo tao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza ny fikambanan’ny mpampianatra mpikaroka, ny faran’ny herinandro teo. Fototra iorenan’ny fikarohana ny zavamaniry sy ny biby ka mahatsiaro ho manana adidy amin’izany ireo mpikambana miisa 379. Handray anjara amin’ny fanomezana sakafo ho an’ireo biby ao Tsimbazaza ihany koa izy ireo. Miantsehatra amin’ny fiarovana ny […]
Mois : mars 2024
Andron’ny vehivavy : efa vonona amin’ny fandraisana i Toamasina
Hankalazaina ny 8 marsa ho avy izao, any Toamasina, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy raha ny eto Madagasikara. Efa vonona tanteraka ny any an-toerana, amin’izao fotoana izao, handray sy hampiantrano izany. “Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso” ny lohahevitry ny hetsika. Mandritra ny herinandro ny lamim-pankalazana izany. Efa […]
PhaGDis : nankasitrahana ireo mpamatsy fanafody
78 ireo mpamatsy fanafody ambongadiny eny anivon’ny distrika na PhaGDis nahazo mari-pankasitrahana tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny USAID tamin’ny alalan’ny tetikasa “Impact”. Ireo ekipan’ny PhaGDis ireo no manome toky ny fisitrahana fitaovana ara-pahasalamana sy fanafody manavotra ain’olona eny ifotony. Mamatsy ireo farmasia madinika eny anivon’ny kaominina izy ireo. Miantoka ny […]
Efa nivoaka any an-dranomasina : mbola hitondra rotsakorana betsaka ilay andro ratsy
Mbola hitohy ny rotsakorana na efa nivoaka an-dranomasina aza ilay andro ratsy. Ho an’ny afovoantany, hanjombona ny andro ary mety hisy orana malefaka indraindray. Nivoaka an-dranomasina teo amin’ny manodidina ny distrikan’i Ambanja, omaly, ny ivon’ ilay faritra andro ratsy. Manohy ny diany miakandrefana somary atsimo andrefana izy. Araka ny vinavina, […]
Madagasikara-Torkia: maherin’ny 200 tapitrisa dolara ny fifanakalozana ara-barotra
Nahomby ny fiaraha-miasa. Mitentina hatrany amin’ny 202 tapitrisa dolara ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’i Madagasikara sy Torkia nandritra ny taona 2023, raha toa ka 102 tapitrisa dolara izany ny taona 2022. Manodidina 11,168 tapitrisa dolara teo ireo vokatra malagasy naondrana any an-toerana, ny taona 2020. Mitentina 10,725 tapitrisa dolara kosa […]




