Mois : mars 2024

Avy namaky trano: jiolahy iray tratran’ny fitsaram-bahoaka

Tratran’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray namaky trano teny Andohaniato Ambohipo, afakomaly. Efa saika namoy ny ainy mihitsy izy noho ny hatezeran’ny olona raha tsy tonga haingana ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa (CSP2). Raha ny fanazavan’ny fokonolona, araka ny tatitra nampi­tain’ny polisy, niditra tao ami­na efitrano fandraisam-bahiny iray ity jiolahy ity tamin’ny […]

Voaolana : ankizivavy nihosin-dra tao anaty ala

Nitrangana fanolanana ankizivavy tao amin’ny fokon­tany Tanambao Nosy Be, kaominina ambanivohitr’ Antetezam­baro, distrikan’i Toamasina II, afakomaly. Raha ny angom-baovao voaray teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, naheno ankizy mitomany sady mitaraina tao anaty kirihitr’ala ny olona sendra nandalo ka niantso azy ireo. Voamarina ny fisian’ilay ankizy. Zaza efa mihosin-dra no tazan’ny zandary sy […]

Bateria nipoaka : Zaza 10 taona maty kilan’ny afo

Zava-doza no nanjo ireto mpiompy akoho, tao Ambohimiarivo, omaly. Nirehitra ny gorodona, nahazo ny bateria mpamatsy angovo tao an-trano ka nipoaka. Maty tsy tra-drano ny zaza 10 taona. Nitrangana haintrano namoizana ain’olona tao Ambohimiarivo, distrikan’Antsirabe II, omaly. Trano fonenana sady fiompiana akoho fakana nofo no tra-doza sy nirehitra. Vokany, maty tsy tra-drano ny […]