Mois : mars 2024

« Tsy manan-kialofana » : fohazin’i Ashiko ny sain’ny mpijery

Hosodoko anatina fafana folo, maneho ny lohahevitra « Tsy manan-kialofana » no namoahan’i Ashiko Ratovo ny aingam-panahiny, etsy amin’ny Institut Français de Mada­gas­car (IFM) Analakely. Raha haravona ho iray, fohazin’ity mpiangaly ny haikanton’ny ankehitriny ity ny saina amam-panahin’ireo mpitsidika. Ny fahitany ny endrika asehon’ny « Tsy manan-kialofana » eo amin’ny fiarahamonina no arantiny amin’ny […]

“Fianara Reggae Festival”: miditra amin’ny andiany fahasivy ny hetsika

Miditra amin’ny andiany fahasivy ny “Fianara Reggae Festival”. Hiavaka ity andiany ity, noho ny fana­tsarana entin’ny mpikarakara. Tanterahina ny 29 hatramin’ny 31 marsa 2024, ao amin’ny Alliance Fran­çaise Fianarantsoa, ny « Fianara Reggae Festival », andiany fahasivy. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ity gadona ity eto Madagasikara izany. Tanjona ny hampiroborobo ny Reggae any amin’ny […]

Miakatra ny vidim-piainana: maniry hisitraka fandidiana eny amin’ny Mercy Ships ny marary

Marary nefa tsy maharaka intsony ny vola eo am-paletanana entina mitsabo tena. Ahitana izany avo­koa ny faritra sy ny distrika ma­ro manerana ny Nosy. Anisan’ izany ny any Toa­masina. Tonga tany an-toerana ny karnavalin’ny fahasalamam-bahoaka, entin’ny sambo lehibe Mercy Ships. Mandray an-tanana ireo marary aman’arivony sy karazan’aretina maro samihafa izy […]

VAOVAO TAMBATRA

Hatao ao Antsirabe, anio ny “Hetsika rodorodon’ny fanambaram-pananana”. Hetsika hampiroboroboana ny fanambaram-pananana, iarahana amin’ny Bianco izany. Anisan’ny hiatrika izany ireo ben’ny Ta­nàna sy mpiasam-panjakana ary ny eny amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. Nodimandry teo amin’ny faha-78 taonany, ny Jly Razafimandimby Sylvain. Anisan’ireo manamboninahitra ambony nandamina ny krizin’ny 2001- 2002, niakaran’ny filoha teo […]