“Raha ny volavolan-dalàna natolotray izay nivadika ho lalàna fa nolavin’ny tao amin’ny HCC. Haverinay indray izy io amin’izao fivoriana manaraka izao”. Io ny nambaran’ny mpikambana mpanorina ny Vondrona miralenta ho an’ny fampandrosoana (VMLF) sady ao amin’ny Vovonan’ny vehivavy mpanao politika aty amin’ny Ranomasimbe Indianina (PFPOI), Razafindehibe Nathalie Céline, ny amin’ ny […]
Mois : mars 2024
Zatra notoloram-potsiny!
Ohatra ny mangingina hafahafa izany ny eto an-drenivohitra. Mazava toa manjombon-dava. Tsy hita faly na tomany ny tanàna. Hazakaza-dava ny an’ny mponina izay tsy hay hoe mankaiza. Ny mpatory an-dalana sy ny vahoaka mihasahirana no mihamaro an’isa eny rehetra eny. Ny loto sy ny fahantrana toa mpisakaiza tsy afa-misaraka […]
Fitantanana ny faritra: hotsaraina amin’ny asany ireo governora
Hisy ny tombana ho an’ny governora rehetra, manerana ny Nosy, mialoha ny fifidianana depiote . Aorian’izay, hisy ny tafaverina, hisy ny tsy maintsy handao ny toerany. Mananontanona ny fanesorana amin’ny sezany ireo governora ho an’ny faritra sasany amin’izao fotoana izao. Hadinina tsirairay sy hotsarain’ny filohan’ny Repoblika izy ireo, mialoha ny hanatanterahana ny […]
TSELATRA
Saron’ny polisy ao Antsiranana afakomaly ireo jiolahy telo ao anatina fikambanan-jiolahy mahery vaika. Mpikambana ao amin’ny vondrona tanora atao hoe Dakar ao amin’ny fokontany Ambalavola ry zalahy ireto. Mampihorohoro ireo tanora ao amin’io fokontany io. Vehivavy iray hita faty teny Ambodivonkely Ambohimanarina, omaly maraina. Ahina ho nisy nanolana izy satria […]
Nitondra sokatra: vazaha iray voasambotra
Teratany vahiny iray handray ny zotram-piaramanidina hihazo an’Antananarivo no voasambotry ny polisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany ao Toliara, omaly. Nahatrarana zana-tsokatra enina tao anatin’ny valiziny nandritra ny fisavana. Nambaran’ny tatitra voaray avy amin’ny polisy fa teo am-pidirana ny seranana izy dia somary nampiahiahy ny fihetsiny. Mailomailo sady kaodikaody ihany […]




