Manameloka ny famonoana ho faty ny mpisolovava, Rasamoelinirina Zakanarivo Andry, any Nosy Be ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, araka ny fanambarany. “Enjehin’ny lalàna manan-kery ny famonoana olona. Mihatra ho an’ireo meloka ny lalàna koa mandray ny andraikiny avy hatrany ny fitsarana”, hoy izy.
Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo, tao Toliara, ireo kandidà depiote hatolotry ny vovonana Firaisankina. Anisan’izany ireo mpirotsaka hofidina avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy ny avy any Androy ary ny kandidà ho an’ny faritra Anosy. Nitarika izany tany an-toerana Randrianasoloniaiko Siteny sy Rakotovao Rivo.
Efa nisokatra ho an’ny rehetra, ny herinandro teo, ny foiben-toeran’ny Firaisankina eny Anosibe Andrefana II. Anisan’ny efa nataon’izy ireo ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana sy ny fitsaboana ireo mpiara-belona eny an-toerana. Ahitana birao fandraisana olona hiara-dalana amin’ity vovonana ity koa eny an-toerana.
Manana tranoheva amin’ny fihaonana ara-panatanjahantena (RNS) any Frantsa ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Ampahafantarin’izy ireo ny Diaspora ho an’ny fandraisana andraikitr’ireo am-pielezana (LPNED). Eo koa ny momba ny tetikasa « Tady”, “ny loharano”, ny fampiasam-bola…




