Harena an-kibon’ny tany : misokatra ny « Guichet unique d’exportation »

Nisokatra nanomboka ny herinandro teo, eny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny «Guichet unique d’exportation». Dingana goavana hanamorana ny fikirakirana ireo antontan-taratasy ilaina amin’ ny fanondranana ny harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena, metaly sarobidy ary vatosoa avy eto Madagasi­kara izany. Mivondrona amina toerana iray avokoa, araka izany, ireo sampandraharaham-panjakana samihafa voakasika amin’ny fikirakirana ny antontan-taratasy. Masoivohon’ny tahirimbolam-panjakana amin’ izany ny Bureau des cadastres miniers de Madagascar (BCMM) sy ireo mpiara-miasa aminy eny amin’ny Trésorerie principale Analamahitsy– TPA /DCP misahana mivantana ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika sy ny «Service des Finances Extérieures – FINEX/DOF.
Tanjon’ny fitondram-panjakana ny hanamafisana ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ireo vokatra azo avy amin’ny harena an-kibon’ny tany natao haondrana. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fitantanana amin’ny fomba mahomby sy mangarahara. Mikendry ny hampiroborobo ny tontolon’ny fampiasam-bolan’ireo Mala­ga­sy mpandraharaha misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany ny fametrahana ity «Guichet unique d’exportation» ity.

Henintsoa H.

Partager sur: