Orantsimba : misokatra ny fanjonoana

Niverina nisokatra nanomboka ny 1 avrily teo ny fotoam-panjonoana sy fitaterana ary fivarotana orantsimba (langouste) ao amin’ny faritra Anôsy, raha niato nandritra ny telo volana, nanomboka ny 1 janoary. Mahatratra hatrany amin’ny 449,4 kg ny vokatra tonga nandritra ny fanangonana ny antontanisa voaray eny anivon’ireo mpanangom-bokatra. Ankoatra izay, nilaza ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga fa miisa 11 ny fahazoan-dalana hanangona ity vokatra ity ao an-toerana. Araka izany, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga ao amin’ny faritra Anôsy, nijerena sy nanaraha-maso ny fisokafan’ny fotoam-panjonoana. Fotoana izay nahafahana ihany koa nanangonana ireo antontanisa voalaza etsy ambony. Nampahatsiahivina ireo mpisehatra amin’ity lalam-pihariana ity ihany koa ny lalàna mifehy ny jono sy ny fanangonam-bokatra eto amintsika. Voalaza tamin’izany fa orantsimba mirefy 20cm ny ambany indrindra no azo trandrahina sy hamidy. Voarara kosa ny fitrandrahana ireo orantsimba mitondra atody. Ao anatin’izay, ilaina ny fahazoan-dalana (permis)
amin’ny fanangonam-bokatra. Ilana izany ihany koa ny fanondranana mankany ivelany (autorisation d’exportation)

Henintsoa H.

Partager sur: