VAOVAO TAMBATRA

Milanja 2,5 taonina ny lavanila naondran’ny tantsaha avy ao amin’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana nankany Alemaina, ny herinandro lasa teo. Fanondranana voalohany nataon’izy ireo, ao anatin’ity lalam-pihariana ity, izany. Nalefa fiaramanidina niainga teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny vokatra.
Mitentina 3 087,4 miliara Ar ny totalin’ny fanafaran’entana nataon’i Madagasikara nandritra ny roa volana voalohan’ny taona. Nihena 630 miliara Ar izany raha oharina tamin’ny roa volana voalohany tamin’ny taon-dasa. Mitentina 3 717, 4 miliara Ar ny vola nivoaka tamin’izay, raha mitotaly 21 229,7 miliara Ar izany nandritra ny taona 2023.
Laharana faha-97 amin’ny firenena 176 maneran-tany i Madagasikara amin’ny resaka fahafahana ara-toekarena. Nihemotra toerana 6 ny isika Malagasy raha oharina tamin’ny taon-dasa, faha-91 isika tamin’izany. Mitana ny laharana faha-11 amin’ny firenena 47 kosa ny Nosintsika aty Afrika atsimon’i Sahara.
Ahina hitombo ireo karazana hazandrano manimba ny tontolo iainana an-dranomasina ho tafiditra eny amin’ny seranan-tsambo noho ny fanjonoana tafahoatra sy ny fiakaran’ny hafanan’ny tany. Ahina ho feno azy ny seranan-tsambo amina firenena maro ka anisan’izany i Madagasikara noho ny firoboroboan’ny fifandraisana an-dranomasina.

Partager sur: