Vato misakana ho an’ny tontolon’ny fandraharahana ny fisian’ny delestazy sy ny lafiny ara-toekaren’i Madagasikara, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM).
Mahatratra 86,9% ireo orinasa nametraka ahiahy amin’ny fandrosoan’ny toekarena eto amintsika. Nilaza izy ireo fa miantraika amin’ny fihodinan’ny orinasany izany. 61,8% kosa nilaza fa sakana amin’ny fampiroboroboana ny asa sahaniny ny olan’ny delestazy izay miverina matetika. Manamafy izany koa ny toe-draharaha sosialy sy politika eto an-toerana. Misedra olana momba ny hetra, ny olan’ny tambajotram-pitaterana, ireo mpisehatra amin’ny tsy ara-dalàna ny 56,3% amin’ny orinasa natao fanadihadiana. Voalaza ao anatin’ny vokatry ny fanadihadiana ECE hatrany, fa mbola ambany ny tinady. Nivoitra ao anatin’izay ny olana eo amin’ny fifaninanana eo amin’ny fanafarana entana. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny akora fototra sy ny fitaovana. Ankoatra ireo, manampy trotraka ny olan’ny fampindramam-bola. Nilaza ireo tompona orinasa fa mananosarotra ny fampiasam-bola nandritra ny telo volana farany, ny taona 2023 ary mbola nitohy izany nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025.
Fanamby
Tanjona ny hahitam-bahaolana ho an’ny mpandraharaha malagasy entina hampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara. Fantatra koa, araka ity ECE ity, fa sakana ho an’ny tontolon’ny fandraharahana eto amintsika ny tsy fandriampahalemana izay mahazo vahana amin’izao fotoana. Voalaza tao anatin’izay fa olana ihany koa ny tsy fandoavana ny volan’ireo mpandraharaha, ny fahataran’ny fandoavana ny tataon-ketra. Eo ihany koa ny fahitana ny olona mahafehy ny asa takina, ny tsy fahampian’ny herim-pamokarana ary ny toe-draharaha politika eto Madagasikara. Potika avokoa ny ankamaroan’ny lalam-pirenena eto amintsika ka miantraika tamin’ny tontolon’ny fitaterana sy ny fandraharahana.
Henintsoa Hani




