FANTINA sy FINTINA

Manodidina ny 2 tapitrisa isan-taona ny arina lanin’ny mponina eto Antananarivo. Miantraika amin’ny tontolo iainana sy mampihena ny harena anaty ala ny fitrandrahana izany. Vahaolana ny fampiasana ny arina ekolojika noho izy mampihena ny fitrandrahana ala sy ny vola mivoaka.
Mitentina 2 265,76 dolara izao ny vidin’ny once-n’ny volamena, izany hoe, ny 28,35 grama, raha mbola 2 200 dolara izany ny faran’ny volana marsa teo. Mahatonga ity fiakarana ity ny toe-draharaha maneran-tany. Eo ihany koa ny filazana nataon’ny “Réserve fédérale américaine” momba ny fampihenany ny tahan’ny zanabolany amin’ity taona ity.
Nogiazana avokoa ireo entana efa lany daty tratra tao amin’ny tsenan’i Morondava ny sabotsy teo. Anisan’izany ny vokatra avy amin’ny ronono toy ny yaourt, fromazy, dibera. Tsy nazava na tsy ampy koa ny etikety tamin’ireo entana hafa toy ny kafe vovony sy ny biskia. Manentana ny mpanjifa hanamarina ny entana vidiny eny amin’ny mpivarotra ireo tomponandraikitra samihafa.
Tsy hanome fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany ao aminy intsony i Nigéria raha tsy atao any aminy ny fanodinana ireo akora fototra. Ireo orinasa manana drafitra momba ny fanodinana mineraly ihany no hisitraka izany. Marihina fa manana karazana mineraly 44 mafy ity firenena ity.

Partager sur: