Tafiditra ao anatin’ny ezaka 100 andro tratrarin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanaparitahana ny fandrindram-piterahana hatrany amin’ny toerana lavitra indrindra. Niaraka tamin’ny tetikasa “Impact” izay vatsian’ny USAID vola ny hetsika natao tany amin’ny foko Mikea, distrikan’i Toliara II, ny herinandro teo.
Ny ekipan’ny fitsaboana mitety vohitra na “clinique mobile” sy ny minisiteran’ny Fahasalamana izay tarihin’ny Medecin Inspecteur Tuléar II ary ny filohan’ny fokotanin’ Anjabetrongo no nanatanteraka izany.
Ankoatra ny tolotra ara-pahasalamana mahazatra, nisy ny fanentanana ara-pahasalamana natao. Fanazavana ny fomba fandrindrana fiainam-pianakaviana, fitiliana sy fandraisana an-tanana ny tazomoka, fisafoana ny vehivavy bevohoka ary ny vaksinin-jaza sy ny olon-dehibe.
Nahazo ny anjara fanentanany ihany koa ireo vondron-dehilahy tamin’ny fampahafantarana ireo tombontsoan’ny fampiasana fandrindram-piterahana sy ny fiantraikany eo amin’ny fahasalaman’ny vehivavy, ny fiainan-tokantrano ary ny fari-piainana amin’ny ankapobeny.
Tatiana A




