Nizara fanampiana ho an’ireo tokantrano dibo-drano tao Taolagnaro vokatr’ilay rotsakorana ny BNGRC. Fianakaviana 340 no nahazo vary sy menaka ary voamaina. Nitarika ny fizarana ny prefektiora sy ny BNGRC ary ny komity lharano miaraka amin’ny CRM.
Fitokanana ny Centre éducatif spécialisé Manjaka, ivontoerana manokana mandray ireo zaza autiste ao Mahajanga, no nanamarihina ny Andro maneran-tany ho fampahafantarana ny autisme tany an-toerana. Nisy koa ny diabe narahina fanentanana ary nofaranana tamin’ny Flashmob izany.
Natao tany Vatomandry ny andiany fahatelo amin’ny hetsika « Lakozia Mitety Sekoly » (LMS). Fifaninanana ho an’ny ankizy eny amin’ny sekoly fanabeazana fototra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana izany. Mandray anjara feno ireo sekoly mikambana eo anivon’ny Réseau du système des écoles associées à l’Unesco.
Misokatra hatramin’ny 17 jona ny fisoratana anarana sy fanarahana ireo fiofanana teny anglisy tovozin-davitra sady maimaimpoana Open Moocs. Mikatona ny 27 jona ny tranonkala ahafahana manaraka ny fiofanana. Eo anelanelan’ny 1 avrily hatramin’ny 17 jona, sady afaka misoratra anarana foana no manomboka ny fiofanana amin’ny fandaharam-potoana mety aminy ireo mpandray anjara.




